Accueil
Aimé CESAIRE
Frantz FANON
Paulette NARDAL
René MENIL
Edouard GLISSANT
Suzanne CESAIRE
Jean BERNABE
Guy CABORT MASSON
Vincent PLACOLY
Derek WALCOTT
Price MARS
Jacques ROUMAIN
Guy TIROLIEN
Jacques-Stephen ALEXIS
Sonny RUPAIRE
Georges GRATIANT
Marie VIEUX-CHAUVET
Léon-Gontran DAMAS
Firmin ANTENOR
Edouard Jacques MAUNICK
Saint-John PERSE
Maximilien LAROCHE
Aude-Emmanuelle HOAREAU
Georges MAUVOIS
Marcel MANVILLE
Daniel HONORE
Alain ANSELIN
Jacques COURSIL

VAKY NY RENIRANON’I FIHERENANA – TOLIARA : TONDRAKA NY RANO, 5 NAMOY NY AINY, 2.000 NO TRABOINA

Par Taratra http://www.newsmada.com/
VAKY NY RENIRANON’I FIHERENANA – TOLIARA : TONDRAKA NY RANO, 5 NAMOY NY AINY, 2.000 NO TRABOINA

Raha mbola mijafajafan’ny haitany sy mitebiteby amin’ny tsy fahampian’ny famatsian-drano ny eto an-drenivohitra, any Toliara, vaky noho ny ora-mikija tsy an-kiato ny reniranon’i Fiherenana. Olona Olona 5 no fantatra fa namoy ny ainy, raha mahatratra 2.000 ireo traboina.

Vokatry ny ora-mikija any atsimon’ny Nosy, vaky ny fefilohan’ny reniranon’i Fiherenana ka nahafaty olona dimy raha ny tatitra azo tamin’ny mponina any an-toerana hatry ny omaly. Araka ny fantatra,  zanaky ny fianakaviana avy amin’ny fokontany Ampamata, kaominina Andranovory, ny sasany amin’ireto nentin’ny rano ireto. Ny sasany kosa avy any amin’ny fokontany Anjamala sy Antaby ary Behompy.

Tsy tokony hiampitana intsony ny reniranon’i Fiherenana satria mikoriana mafy noho ny ora-mikija ka mety hitera-doza. Betsaka ny lalana tapaka mampitohy ireo distrika sy kaominina maromaro any atsimon’ny Nosy vokatry ny orana.

Tsiahivinba fa efa vaky ity fefilohan’i Fiherenana ity tamin’ny taona 2015 nandritra ny fandalovan’ilay rivodoza Harune izay nandravarava tany atsimon’ny Nosy ihany koa.

Mahatratra hatrany amin’ny 2.000 kosa ireo traboina any an-toerana ankehitriny. Ravarava ireo trano marefo. Zakan’ny riaka kosa ny trano falafa noho ny tanjaky ny rano mandeha vokatry ny ora-mikija any an-toerana.

Tsy vitan’izany fa simba avokoa ny voly hasy any an-toerana. Toraka izany ny fambolena fary sy haninkotrana. Iri-mahaory ny orana any atsimo. Tena nitady orana mafy ny mponina nandritra ny volana oktobra hatramin’ny desambra. Be loatra indray anefa izany ankehitriny ka lasa nanimba zavatra.

Marihina fa misy ihany anefa ny faritra tsy mbola mahazo orana mihitsy any atsimo, toy ny any avaratr’Amboasary sy ny manodidina.

Vonton-drano ny tany amin’ny distrika sasantsasany toy ny any avaratr’Ambovombe  ary mahafeno ny fepetra amin’ny fambolena ireo voly fihinana saingy olana ny tsy fahampian’ny  masomboly, raha ny fitarainan’ny mponina any an-toerana notaterin’ny solombavambahoaka avy any. Miandry ny tohana avy amin’ny fanjakana sy ny mpiara-miombon’antoka araka izany ny mponina hahafahana manararaotra ny orana mandonaka ny tany. Ilaina koa ny kojakoja fanadiovan-drano hahafahana misotro rano ara-pahasalamana.

 

Connexion utilisateur

CAPTCHA
Cette question sert à vérifier si vous êtes un visiteur humain afin d'éviter les soumissions automatisées spam.